Fomba fiasa : voakiana mafy ny Ceni

“Toy ny manao fanahy iniana, angamba, ny Ceni. Tsy mety ny fomba anaovana ny fanisana mpifidy. Nilaza ny Ceni fa mankany amin’ny fokontany. Nefa tsy izay amiko no tokony hanaovana fanisana mpifidy. Tsy vita mandra-pahatonga ny 31 janoary izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy (FMI Malagasy), Ratsietison Jean-Jacques.

Miainga amin’ny rejisitry ny fokontany ny lisitry ny mpifidy. Manana ny lisitry ny olona mipetraka ao aminy ny fokontany rehetra. Eso­ri­na fotsiny ny ankizy tsy ampy taona, ary raisina avokoa ireo ampy taona. Ka­ra­karaina ny karapanondron’ ireo tsy manana. Miainga amin’ny fototra 100% ny lisitry ny mpifidy eny an-tanana amin’izay. Omeny ny Ceni ny lisitry ny olona mihoatra ny 18 taona.
Hatambatra fotsiny ny lisitra avy amin’ny fokontany 18 000 rehetra: vita ny fanisana mpifidy madio sy mangarahara ary tsy misy anarana miverina.

Amini’izao fomba fanisana mpifidy ataon’ny Ceni izao, enjehina any amin’izay misy azy ny olona: tsy azo tanterahina izany. Maninona raha raisina indray mandeha amin’izay toerana onenany ny olona dia izay no vita?

R. Nd.

Partager sur: