Hita aty Afrika amina firenena maro ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra ny sakafo sy ny solika. Tafahoatra amin’ny nikajiana azy izany, tsy araka ny navoakan’ny Banky foibe maro aty Afrika. Voadonan’io fiakaran’ny vidim-piainana io ny mponina maro, indrindra amin’ny sakafo izay andaniana mihoatra ny 50 % amin’ny vola azo. Tsy tafavoaka amin’ny lamina nosoritany ny fitondram-panjakana maro, ary sahirana manala olona ao anatin’ny fahantrana fa vao mainka mitombo.
Dobo trosa ny ankamaroan’ny firenena aty Afrika, misy 20 eo ho eo. Mampahatsiahy ny krizy tamin’ny fiandohan’ny taona 2000 izany sady mandalo fotoan-tsarotra koa ny toekarena eran-tany izao. Fantatra izany tamin’ny fandalovan’ny Sekretera amerikanina momba ny vola, Janet Yellen sy ny Tale jeneralin’ny FMI, Kristalina Georgieva tany Zambia ny 23 janoary 2023 teo. Ghana sy Zambia ihany no hita miavaka tsy be trosa, raha jerena ny tany amin’ny 2020.