Maherin’ny 4 000 ireo traboina vokatry ny fandalovan’ ny andro ratsy Cheneso tao Mampikony. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy tao an-toerana, nisolo tena ny fitondram-panjakana, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nomena ireo traboina tamin’izany ny vary, voamaina, “seau”, lovia, sotro, lamba firakotra ary fonosana kojakoja ilaina andavanandro “PPN”. Natolotra tao amin’ny EPP Ambalavy sy Ambohimavelona ary Antsatramanera, itobian’izy ireo izany.
Tsy vitan’izany fa notolorany lelavola ihany koa ireo fikambanam-behivavy sy ireo sojabe ao an-toerana.
Politikam-pampandrosoana
Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa efa misy ny politikam-pampandrosoana entin’ ny minisitera tantaniny amin’ ny alalan’ny vondrom-pikambanana Viavy miavotse sy ny Lehilahy mandray andraikitra ary ny fikambanan’olon-kendry. Eo koa ny “Tanora andrin’ny firenena-Tafa”. “Entanina isika vahoaka mba hiditra ao anatin’ireo vondrom-pikambanana ireo mba hanamora ny fanampiana sy ny fanohanana antsika”, hoy izy.
Tonga nanotrona ny minisitra tamin’izany ireo solontenam-panjakana sy olom-boafidy avy any amin’ny distrikan’i Mampikony syi Port Bergé. Teo koa ireo manam-pahefana sivily sy miaramila…
Synèse R.