Fakafaka: Harena ny zanaka !

Manomboka mitsingilaila ankehitriny io fahendrena malagasy io raha atao indray mitopy maso ny rindram-piarahamonina misy ankehitriny. Tsy ny endrika ivelany isehoan’ny fitiavan-janaka no tsy ananan’ny Malagasy intsony fa ilay fametrahana ny zanaka ho harena mihitsy. Harena ve ka hatao tsinontsinona ? Tsy ny fanipatsipazana ireo haingitraingitry ny tanora ho an’ny zanaka akory no ilazana fa tia ny zanany ny Malagasy. Tsy ny fampanarahin-damaody ny zanaka no ilazana fa mahavita adidy amin’ny « hareny » ny ray aman-dreny. Endrika ivelany avokoa ireny rehetra ireny… Kanefa, tranga manomboka miroborobo fatratra sy mahazo vahana ankehitriny.
Eo amin’ny malagasy, tsy io endrika ivelany io no maha harena ny zanaka fa ilay fananany fanabeazana ampy. Fanabeazana maha olom-banona. Mahafantatra ny momba azy iray manontolo. Avy amin’io fanomezana fanabeazana mifanaraka sy mifamatotra amin’ny lamina voajanahary sy ny kolontsaina ananan’ilay fiarahamonina io no nanaporofoan’ny Malagasy fa harena ny zanaka, noho izany, tsy azo atao hatandrevaka ny hoaviny.
… Satria endrika ivelany fotsiny no ezahina harantiranty ankehitriny, tazana an-karihary fa poakaty ilay zanaka heverina fa harena. Tsy manana ny maha izy azy fa mitotorebika amin’ny an’ny hafa. Manamarina izany ny fahitana fa midina andro aman’alina ny fahaizan’ny taranaka malagasy mandanjalanja ny hitan’ny masony sy ny ren’ny sofiny. Tsy ampy fahalalana ny an’ny tena. Mpanao rebikondry sy mpanara-davahana fotsiny.
Raha mbola mametraka ny zanany na ny taranany ho harena ny Malagasy, mila manova ny fomba fanabeazana azy ireny. Miverina eny an-doharanom-panabeazana malagasy. Lalan-tokana ahafahana miantoka ny hoavin’ny taranaka mifandimby !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: