«Tsy mbola nisy seho fiderana goavana toa ity teto Toamasina», hoy ny nambaran’ny mpanentana… mikasika ilay fampisehoana «Tamatave Midera”, notontosaina ny takarivan’ny alahady teo, ankalamanjana nanoloana ny Hôtel de Ville io. Nanomboka ny hetsika ireo fanentanana isan-karazany, narahin’ny soradihy nataon’ny Union mpandihy Tamatave. Nifandimby kosa taorian’izay ireo antoko mpihira avy amina fiangonana isan-karazany ao Toamasina, toy ny Elatry ny Maraina, Sami, Tsara Fiderana, Arpa Choir, Ankoatran’ ny Fitiavana, Akon’i Betela, Feon’ny Mpandresy Tamatave, Midera, sns. Anisan’ny fotoana nafana indrindra ny nahitana ny fiarahana an-tsehatr’ireo tarika telo nandrasana : Tanà Gospel Choir, Meva Gospel ary ny Jaw’s Band. Nahafaly ireo mpijery, ohatra, ny «Mandrakizay», niarahan’ny TGC sy i Jaovola, lehiben’ny Jaw’s Band. Samy nanome ny kanto indrindra tamin’ny hira fiderana, nahenoana karazan-gadona maro nampientanentana sy nandona fo ireto tarika telo ireto. Raha ny vinavina, fanombohana ihany ny «Tamatave Midera». Kasaina hitety an’i Madagasikara izany…
Zo ny Aina