Mivoatra

Na inona laizana na inona ambara, azo lazaina fa anisan’ny firenena miezaka ny miala amin’ny kolikoly i Madagasikara. Nahazo laharana 16 be izao, tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International, nivoaka omaly. Mazava ny finiavana ataon’ny Filoham-pirenena sy ny ekipa tarihiny. Manao ny fomba rehetra hahatsara endrika an’i Madagasikara any ivelany. Anisan’ny sehatra iray, manan-daja, ary manaporofo ny fahaiza-mitantana ny ady amin’ny kolikoly. Tsy maha­menatra izay vita na mbola maro aza ny ezaka andrasan’ny vahoaka malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka vahiny.
Tsy mikely soroka ny mpitantana, mitady hirika tsy hampitsanga-menatra ny firenena malagasy. Niaraha-mahita ny amboara maro azon’Atoa Rajoelina Andry. Tompondaka amin’ny fanjarian-tsakafo, tompondaka amin’ny fampiroboroboana ny Indostria izy. Mahatsapa ny vazaha fa manao izay ho afany ny filoha malagasy. Misy ny ezaka azo tsapain-tanana sy ny fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Tsy misy afaka ny hilaza kosa fa tsy manao ny fitondrana.
Na izany na tsy izany, tsy azo atao anefa ny mitompo teny fatratra amin’ny fahombiazana. Mbola lavitra ny ezaka sy ny lalan-kizorana. Ny amboara sy ny vokatra tsara toy izao, dia tokony hivadika ho ampinga enti-miasa misimisy kokoa. Mitaky adidy sy andraikitra fanampiny, ho entina manatratra ny tanjona toy ny fampandrosoana ankapoben’ny firenena. Manana zo ny hisitraka fana­tsaram-piainana sy ny fanatsarana ny tontolo misy azy ny vahoaka malagasy. Mpitari-bato maodely ny filoha, ankehitriny saingy tsy maintsy manamafy ny fisinkinam-ponitra, hahazoana vokatra bebekokoa.
Taon-trano tsy efan’ny irery kosa ny ady amin’ny koli­koly sy ny endrika tsy rariny isan-karazany. Tsy ankinina amin’ny filoham-pirenena samy irery ny zava-drehetra. Mitaky tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny besinimaro. Indrindra fa ireo tan-dapa sy manam­pahefana nitokisan’ny vahoaka. Tsy misy ny tonga lafatra sy mahafa-po, efa hita taratra kosa ny fivoarana!

r.r

Partager sur: