Nisedra olana maro. Tsy mbola tratra araka ny namaritana azy ny ezaky ny Ceni, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nifarana, omaly ny fe-potoana nitetezana tokantrano, nanisana ny mpifidy.
Maherin’ny 9 tapitrisa hatreto ireo mpifidy voaisan’ny Ceni, tao anatin’ny efa-bolana nanatanterahana izany, raha nanomboka ny volana oktobra teo izany. Tsy tratra ny tanjona hotratrarina nikendrena mpifidy maherin’ ny 13 tapitrisa any ho any ho tafiditra anaty lisitra amin’ ity fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly ity. Midika izany fa mbola maherin’ny efatra tapitrisa ireo olom-pirenena tokony mbola hampidirina anatin’izany.
Nampanantena anefa ny Ceni fa dingana voalohany ihany iny nandefasana ny mpanisa mpifidy isan-tokantrano iny ary efa nifarana, omaly. “Mbola mitohy hatrany kosa ny fahafahan’ny olom-pirenena misoratra anarana eny amin’ny biraom-pokontany”, hoy ny filohan’ ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Notsiahiviny tamin’izany fa karapanondrom-pirenena no entina rehefa mankeny amin’ ny fokontany mba hahafahana mameno araka ny tokony ho izy ny takelaka fanisana.
Betsaka ny olana teny an-dalana teny
Na izany aza, niaiky ny eo anivon’ity rafitra mikarakara ny fanomanana ny fifidianana ity fa nisedra olana teo amin’ny lafiny maro izy ireo. Teo ny lafiny politika sy ny finoana. Manampy izany koa ny fampitaovana sy ny fahataran’izany. Manampy izany ny tsy fahampian’ny fanentanana ireo olompirenena tamin’ny fanisana ny mpifidy isan-tokantrano.
Tsiahivina, araka ny tarehimarika tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy farany (2021-2022), natao ny 1 desambra 2021 fa nahatratra 10 749 934 ny olom-pirenena tafiditra anaty lisitra hatramin’ny 15 may 2022. Miisa 10 512 419 kosa izany tamin’ny fanavaozana isan-taona natao tamin’ny 2020-2021.
Synèse R.