DFP – Harem-pirenena : “Ilaina ny fikaonandoha”

“Ny hanovantsika fikaonandoham-pirenena: ahoana no hialana amin’ny fitan­tanana ny harem-pirenena verivery foana, fa 1% no mba tombontsoa ho an’ny firenena? Ahoana koa ny mba tena hananan’ny solom­bavambahoaka izany fiandrianana izany, fa tsy miandry kolikoly na “malety” fo­tsiny? Izay no manahirana antsika eto amin’ny fire­nena.”
Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny hetsika Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Ratolojanahary Maharavo, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra sasany ny to­kony hanaovana fikaonandoham-pirenena momba ny fanatanterahana fifidianana. Efa impiry moa no nahemotra izany fifidianana izany? Rehefa misy toe-javatra na raharaha lehibe tsy azo anoa­rana lehibe: tsy nanao ny fifidianana ny firenena, tsy nianatra ny mpianatra…
Tamin’ny “Raharaha 1991”, ohatra: valo volana tsy nandeha ny fitantanan-draharaham-panjakana, fa nihemotra avokoa ny zavatra rehetra. Impiry no nisian’ izany teto Madagasikara. Koa amin’izao fotoana izao, misy ny hoe fanahiana: inona no ahiana? Rehefa misy an­tony lehibe izay tsy hanaovana fifidianana, izay aloha no hatrehina.
Aminy, ny laharam-paha­mehana amin’ny laharam-pahamehana rehetra aloha: fotoana fanararaotana ho an’ny firenena mahantra re­hetra ny ady eo amin’i Uk­raine sy i Rosia mba hiatrika amin’izay ny sakana amin’ ny fampandrosoana: inona marina no sakana amin’ izany eto Madagasikara?

R. Nd.

Partager sur: