Kolontsaina sy soatoavina: Nanjary tsy nifanaja ny Malagasy

Firenena nandalo ny vanim-potoan’ny fanjanahantany i Madagasikara. Nitondra fiovana maro teto izany, satria, tsy nitazam-potsiny ny Frantsay fa niezaka namafy ireo hevi-diso sy fomba fiady hamotehina ny fiarahamonina. Ny fantatra sy nalaza: “zarazarao hanjakana”.

“Raha hanjanaka firenena iray, ianaro ny teniny, fantaro ny fombany sy ny tantarany, fa ho babontsika hatrany amin’ ireo faramandimbiny”. Io ilay tetika sy paika nampiasain’i Frantsa teto Madagasikara sy tany amin’ireo firenena afrikanina hafa nozanahiny. Ho an’i Mada­gasikara sy ny Malagasy manokana, nezahin-dry zareo nampiadiana, ohatra, ny avy eto afovoantany sy ny avy any anindrantany…
Na efa tsy teto intsony aza ry zareo, na efa nolazaina tany amin’ny taona 1958 aza fa mahaleo tena i Mada­gasikara. Ireo dindo ratsy navelany mbola notohizan’ny forongony ihany. Anisan’ireny ny fitsinjaram-pahefana sadasada. Tsy ampy ny sekoly ia­naran’ny zaza Malagasy tany anindrantany. Mila am­piana mba hampitovy ny fahalalana eo amin’ny Malagasy. Nanapa-kevitra ny Repoblika faharoa fa hanangana sekoly maro fanabeazana fototra… oniversite), any anindrantany. Ni­poitra ny olana. Iza no hampianatra?

Nanjary tsy nifanaja ny Malagasy

Tafiditra tany anatin’ny kolontsaina sy ny soatoavina ny vela-pandrika napetraky ny mpanjanaka sy ny forongony. Notain-dry zareo fady ny ko­lontsaina sy ny soatoavina malagasy. Natosiny sy nampirisihiny fatratra ny hisian’ny fifanoherna tamin’ireny kolon­tsaina sy fomba amam-panao ary soatoavina ireny. Tsy kolontsain’ny eto Imerina ny manao “fety”, ny miboboka toaka na ny mampiasa izany amina fomba amam-panao, kanefa nozarin’ny mpanjanaka sy ny forongony iaina izany isan’andro.
Tsy kolontsaina Malagasy avy eto Imerina ny miteny mivatravatra sy mahitsihitsy. Navadiky ny mpanjanaka sy forongony ho fiatsarambela­tsihy izany. Betska ny tafaroboka tao anatin’izany ka ni­laza fa “mpihatsaravelatsihy ny eto Imerina”. Niainga tany amin’ny ankifidy, ankamantatra, ankanonona, kabary, sns. Tsy nisy teny mivantambatana nitaizana sy nanabeazana ny teto Imerina. Izany hoe, akon’ ny fanabeazana sy ny soatoavina niainany ilay toetra fa tsy fiatsarambelatsihy. Kanefa dia io no novoizin’ny mpanjanaka sy ireo zaza navelany ka nanjary tsy fifanajana teo amin’ny samy Malagasy.

Very ny fahalalana

Firenena mahalala ny Ma­lagasy fa tsy firenena notai­zana tamina fahaizana, izay norantovina tetsy sy teroa. Izany hoe, voajanahary ny azy ny fahalalana ananany. Noho ireo fampianarana sasany nentin’ny mpanjakana anefa, niala tamin’ny Mala­gasy ny ankamaroan’ny fahalalany. Tsy fantany intsony fa tsy azy ny toaka fa nampidirina teto mba hanimbana sy hamote­hana ny hasin’ny Ma­la­­gasy sy ny soatoaviny. Am­in’­izao va­nim-potoana izao­, ambaran’ny Malagasy fa: “tsy fety raha tsy misy toaka”. Tsy fantany in­tsony fa tsy nanao fety izany mihitsy ny Malagasy fa “lanonana” ny azy no fanaony isaky ny vanim-potoana lehibe. Vo­katr’izay fahaverezan’ny fahalalana izay, tsy mifanaja ny Malagasy. Ny andaniny, maika hiboboka toaka. Ny ankilany, maika hitady tsodrano anaty lanonana. Fotoana naharitra no efa niainan’ny Malagasy ny fahaverezan’ny fahalalany tahaka izany, hany ka mila sy mitaky fahasahiana ny fanarenana azy.
Hampitomboina ny lalàna, hamafisina ny fanabeazana
Efa tafalatsaka lalina ny fahaverezan-kasina sy ny hevi-diso ao anatin’ny fiarahamonin’ny samy Malagasy. Noho izany, ilaina ny hanatevenana ny lalàna sy hanamafisana ny fanabeazana raha tiana ny tsy hiitaran’izany. Havoaka ho lalàna ireo izay ilaina hatao an’izany. Ohatra, ampidirina any anaty taranja ianarana any an-tsekoly ny fanomezan-danja ny soatoa­vina sy ny kolontsaina mala­gasy.
Mila miala tao anaty goragora ny Malagasy raha te handroso, satria, efa be loatra ny zavatra simba noho ny baranahiny teto. Izay tsy inona fa paikady napetraky ny mpanjakazaka an-tanin’olona sy ny fo­rongony mba hamono hasina ny Malagasy ka hahatonga azy ifandrafy amina hevitra sy fahalalana tsy mitovy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: