Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily.
Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raharaha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, tamin’ny fisavana anefa, ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, ka nentin’ireo mpitandro filaminana ny vadiny, teratany Alemà sy ny mpanampy an-trano iray. Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany fa hanaovana fanadihadiana eny amin’ny Bianco, eny Ambohibao, ireo olona roa ireo.
Etsy andaniny, nalain’ireo mpitandro filaminana tamin’izao fisavana ny trano izao ireo antontan-taratasy maromaro sy ny fiara roa teo an-toerana.
Tsiahivina fa vao avy nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, ny herinandro teo, ny tale jeneralin’ny Cnaps ka nilaza ny momba ny fandoavan’ny SMGD ny ampahany amin’ny trosa. Nambarany tamin’izany fa maherin’ny 5,8 miliara Ariary ny vola efa naloan’ny SMGD tamin’ny Cnaps hatramin’ny volana avrily 2024. Nanambara kosa ny avy amin’ ny eo anivon’ny SMGD, ny herinandro teo ihany, fa vonona ny hifampiresaka momba ny ambin’ny vola tokony haverina io izy. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ity raharaha ity.
Synese R.




