Voafidin’ny mpitsara ho mpandresin’ny “Prix RFI Talents du rire 2022” andiany fahavalo i Stephan Dipita, mpanao hatsikana avy ao Cameroun. Mandritra ny famaranana ny hetsika lehibe “Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo no anehoana azy an-tsehatra sy hanolorana azy ny amboara 4 000 Euros. Ny “Festival Abidjan Capitale du rire” izay hotanterahina ny 10 febroary 2023 hatramin’ny 12 febroary 2023 ao Abidjan, Cote d’Ivoire.
Mpanao hatsikana miainga amin’ny zava-misy sy ny iainan’ny olona ankehitriny i Stephan Dipita. Tafiditra tao anatin’ny mpanao hatsikana miisa 10, isafidianan’ny mpitsara, ho an’ny “Prix RFI talents du rire 2022” izy ny volana novambra 2022. Tena nambabo ary isan’ny naha voahosotra azy ho mpandresin’ity fifaninanana ity ny hatsikany nitondra ny lohateny hoe “Mon ami virtuel”, iresahany ny olombelona oharina amin’ny tambajotra sosialy ankehitriny.
Marihina fa nanana solontena nifaninana tamin’ity fifaninanana ity isika malagasy.
Lin (Mpianatra asa)




