Famonjena traboina : tsy idirana resaka politika

Vary, voamaina, menaka, bodofotsy… Ireo no natolotry ny fikambanana telo avy amin’ ny firaisamonina sivily teny amin’ny BNGRC, Antani­mo­ra, omaly, ho fanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Che­ne­so farany teo. Teo ny Action sociale pour dévélopper (ASD) sy ny Groupement des sociétés civiles à Mada­gas­car ary ny fikambanana Miara-dia.
“Misy ireo havana tena sa­hi­rana. Marina fa samy sahirana isika. Na izany aza, fo­to­ana an­ehoana firaisankina sy fifanampiana ny maha iray izao. Izay no tena tanjonay”, hoy ny avy amin’ny ASD, Ravalitera Jacques Michaël. Tsy hatao amin’ny fijery hafa toy ny fijery politika fa amn’ ny fijery ma­hitsy amin’ny fanavotana ny Malagasy.
Amin’ny maha olom-pirenena, adidy aman’andraikitra ny fanolorana fanampiana ka izay voatsirambin’ny tanana no hanatanterahana izany. Manen­ta­na an’ireo afa-mifanome ta­na­na amin’izao fahavoazana ma­hazo ny firenena izao koa izy ireo. Nanome toky ny eo an­ivon’ny BNGRC fa ho tonga any amin’ny traboina ary hangarahara ny fizarana ireo fanampiana.

R. Nd.

Partager sur: