Antenimierandoholona: nahomby 95% ny fambolen-kazo

Nidina ifotony tany Tsa­ramandroso, Manerinerina Ankazobe roa andro mialo­han’ny fambolen-kazo hatao ny filohan’ny Antenimieran­do­holona, Razafimahefa Heri­ma­nanana, omaly. Nahave­lom-bolo azy ireo ny taham-pahombiazana satria tafakatra hatramin’ny 95% izany ta­min’ireo zanankazo novolena, tamin’ny taon-dasa.
Nojerena koa ny velarantany hatrany amin’ny 50ha hovolen’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona zanakazo miisa 70 000 fototra. “Tanjona ny hiarovana ny tontolo iainana sy ny hampandraisana andraikitra ny olom-pirenena rehetra, indrindra fa ireo ankizy sy tanora hoavin’ny firenena”, hoy ny filohan’
ity Andrimpanjakana ity. Fanamby apetraka ny hitomboan’ny velarantany sy ny isan’ny zanakazo volena isan-taona. Tafiditra amin’ny vina handrakofana ala izany. Ni­saotra ny fanampian’ny filoha Rajoelina ny tenany, nanome vary 10 kitapo sy omby efatra, hanaovana ny fambolen-kazo amin’izao faran’ny herinandro izao.
Nisaorany koa ireo mponina ao an-toerana sy ny fiangonana ary ny mpiara-miombona antoka, handray anjara amin’izany. Tahaka izany koa ireo masoivoho vahiny. Ma­metraka tanjona ny hanitarana ny tahaka izao any amin’ny faritra ny Antenimierando­holona.

Synèse R.

Partager sur: