Drafitrasa Asecna : Mitaky ny fitsinjarana ara-bola ara-drariny i Madagasikara

Natao tany Dakar Se­né­gal, ny 21 novambra 2025 teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Vaomieran’ny minisitra ao anivon’ny Asecna, Fikamba­nana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily aty Afrika. Nan­katoavina ny drafitrasa stratejika (POS) ho an’ny taona 2026-2035, ny drafitrasam-pitantanana sy ny fampitaovana (PSE) 2026-2030 sy ny drafitrasa famatsiam-bola azy.
Nitarika ny delegasionina malagasy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Raharisone Juste. Nomarihiny fa manaraka tsara ny fenitry ny Asecna i Madagasikara. Notakiny ny hitsinjarana ara-drariny ny fampiasam-bola ho an’ireo firenena rehetra mpikambana, indrindra ho an’ireo firenena mifanakaiky sy manana velarana habakabaka midadasika toa an’i Madagasikara. Mila hamafisina ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ary ny fifandraisan-davitra ana habakabaka. Nentina nanehoana ny fahavononan’i Madagasikara hampiroboroboana ny fizahantany, ny varotra ary ny fitaterana ana habakabaka ity fivoriambe iraisam-pirenena ity. Tanjona ny hanehoana in­dray ny fahavononan’i Mada­gasikara hanangana tontolo ana habakabaka afrikanina azo antoka, ampy fampitaovana, afaka miatrika ny hoavy.
Nitarika ny fotoana, tany Dakar, ny filohan’ny Asecna, Fatima Goukouni Weddeye, minisitry ny Fitaterana, ny fitaterana sivily sy ny famantarana ny toetr’andro any Tchad.

Njaka A.

Partager sur: