Mandinika lalina !

Vao omaly isika no nihiakiaka tamin’ny fitarazohan’ny fidinana ifotony nataon’ny fitondram-panjakana. Nivaha omaly ihany ny ahiahy satria ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no namaky lay ny fitetezam-paritra hijerena ny sosialim-bahoaka. Nisy ny vonjy rano vaky sy ny fanampiana izay tena marefo. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fizaham-pahasalamana sy hetsika samihafa. Miroso ny dia ka hamakivaky tanàna maro ny ekipa tarihin’ny Filoha.
Betsaka anefa ny tsikera nipoipoitra, indrindra teny amin’ny tambajotran-tserasera. Nisy ny nilaza fa tsy anjaran’ny filoha fa ny minisitra mpiahy dia mahavita izany. Zavatra hafa no tokony hataony. Dia tsy hita be ihany tokoa anie ny hanaovana antsika Ramalagasy e ! Na manao na tsy manao, toa mahazo tsiny ihany. Asa ! Misy dia efa baikoin’ny halako bika tsy tiako tarehy angamba. Firifiry anefa ny mpanao politika, efa midina ifotony manao asa sosialy. Mainka ve fa ny ray mpiahy ny vahoaka malagasy no hanao antsirambina ny mpiray tanindrazana aminy ? Mba tokony holanjalanjaina ilay fanankianana be fahatany !
Na izany na tsy izany, mila mijery ny paikady politikany ny fanjakana mijoro. Iaraha-mahalala fa anaty vanim-potoanan’ny fanomanana fifidianana i Madagasikara. Mitaky fifehezana hodidina maro. Eny fa hatrany amin’ny madinika indrindra aza. Tsy misy afaka ny hanao ambanin-javatra ny tsindry sy ny kiana fa mandray azy ireny ho fakana lesona. Mila miala amin’ny fanaovana bemarenina, amin’ny olona mizara traikefa sy manome toromarika. Tsy ampy ny fiziriziriana amin’ny hevitra fa mila fisokafana. Mitaky angovo miabo vaovao ny fanaovana politika amin’izao fotoana izao.
Tsy afaka ny hitompo teny fantatra rahateo ny mpanao politika fa afaka mifehy ny olana sosialim-bahoaka. Tsy maintsy miray hina sy mifanome tanana ny Malagasy tsy vakivolo. Taon-trano tsy efan’ny irery io. Ny vahoaka ihany koa efa miova, tsy voatamby amin’ny lela mamy sy ny fampandriana adrisa etsy sy eroa. Samia mamakafaka lalina izay hatao !

r.r

Partager sur: