Safidy: “Sahirana be ny mpanisa mpifidy”

Efa nifarana ny fanisana mpifidy mitety ny isan-tokantrano. Naneho ny heviny momba izany ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy).

«Sahirana be ireo mpanisa mpifidy amin’ny fandehanana manisa mpifidy eny anivon’ny tokantranon’olona. Satria betsaka koa ny olona no tsy tratra an-trano», hoy Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tonia mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Safidy. Vokatr’izay, lasa mitady fomba tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny mpanisa mpifidy sasany. Satria mety efa misy tanjona hoe tsy maintsy mahasoratra anarana mpifidy izao isa isan’andro na isan-kerinandro. Hita hoe ny mpanisa mpifidy ihany, ohatra, no maka olona. Misy aza indraindray, izy ihany no manao sonia izany hahazoany mahatratra ny isan’ny olona voasoratra anarana ao anatin’ny tokantrano iray. Anisan’ny olana izay. Ny fahitany azy: vokatr’izay fahatarana amin’ny fanisana mpifidy izay, mihatratra aoriana avokoa ny fikarakarana ataon’ny Ceni.

Tsy mbola hita ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana

“Tsy mbola hita loatra ny vokatry ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Satria toy ny hoe mandiso fanantenana ny safidy atao mandritra ny fotoam-pifidianana”, hoy izy. Tsy mahavaha olana ny olom-boafidy na ny fitondrana eritreretina hoe hamaha olana ao anatin’ny fifidianana. Indraindray aza, miampy indray ny olana ary vao mainka mihamanahirana… Vo­katr’izay, lasa mihena ny fahavitrihan’ny olom-pirenena sy ny fianakaviana handray anjara amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy sy handray anjara amin’ny fifidianana.

Ao anatin’izay fahasahiranana izay ny fomba fiasa amin’ny fanisana mpifidy. Mate­tika any am-piasana na mi­voaka ny trano avokoa ny olona, fa tsy afa-mijanona ao an-trano fa ny hohanina anio tadiavina anio. Nefa amin’izany fotoana izany no tonga ny mpanisa mpifidy. Manahirana be ny mampifanojo ny fomba fanatanterahana ny fanisana mpifidy sy ny fomba fiainan’ny olom-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: