Volana desambra. Faran’ny taona. Vanim-potoana iray anisan’ny andrandrain’ny mpanakanto hahamaro ny hetsika kolontsaina handraisan-dry zareo anjara. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola hita taratra loatra ny fisian’izany, raha ny nambaran’ireo mpihira sy mpitendry zavamaneno ary ny mpandihy. Manana fanahiana ihany ry zareo, sao samy hampifaly ny tokantranony ny Malagasy, noho ny hasarotan’ny fiainana?
Raha mbola mifamatotra ny fanahy sy ny famoronana. Ny kanto voaforona tao anatin’izany ihany no hany sisa miangana afaka taona vitsy. Tafiditry ny artifisialy be loatra ny zavakanto, hany ka manomboka mandà sy manohitra izany ny vatana sy ny foa, ny saina sy ny fanahin’ny zanakolombelona. Io olana io no mianjady amin’ny mozika mivelatra maneran-tany. Io no mahatonga ireo vahiny hitrandraka ny kanto any amin’ireo firenena mbola mahatazona ny asa famoronan’ny fanahy.
Lany fotoana amin’ny adihevitra : «miankavia sa miankavanana» ? Avy aiza no mankaiza ny fomba fanoratra ny isa teo amin’ny Malagasy? Mety ve izany sa tsia? Tsy azo hamaivanina ny fikarohana ataon’ireo mpikaroka. Na izany aza, ilaina ihany koa ny fahasahiana mametraka azy ireny ho lalàna raikitra sy iraisan’ny rehetra. Matoa tsy mbola tafapetraka izany. Mbola mampiahiahy ilay voka-pikarohana.




