Antoko Fiombonana: “Tsy manana paikady ny mpitondra”

“Tapi-dalan-kaleha ny fi­tondrana. Hatramin’izao, tsy misy paikady mazava ny itondrana ny firenena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Re­tog­niane. Tsy tsapan’ny fitondrana ny amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, izay nandalo teo anivon’ny Ante­nimiera roa tonta tamin’ny taon-dasa. Efa mazava ny voafaritr’izany momba ny fandaniam-bola, taona 2023.
Noho izany, mampanontany tena: hatao ahoana ireo tetikasa amin’ity taona 2023 ity? Nefa tampotampoka teo, mivily lalana ny fitondram-panjakana ka hifantoka bebe kokoa amin’ny sosialim-bahoaka. Mi­hoatra lavitra noho ny fa­namboarana fotodrafitrasa be dia be voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izany. “Izay no mahatonga anay miteny hoe tsy misy paikady mazava ny fitondram-panjakana, fa hijery ny lafiny sosialim-bahoaka no mahamaika azy”, hoy izy.
Mety eo koa ny kajikajy politika amin’ny hoe fidinana ifotony manakaiky ny vahoaka fa efa ankatoky ny fifidianana isika amin’izao taona 2023 izao. Satria efa hifarana ny fe-potoam-piasan’ny fitondrana dia hanakaiky vahoaka amin’izao. Nefa taiza nandritra izay efa-taona nitondrana izay?

R. Nd.

Partager sur: