Fangaraharan’ny fifidianana : miantso ireo mpanara-maso ny eo anivon’ny Ceni

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, ny fangatahan’ny Ceni ny amin’ny hiantsoana ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka sy firenena vahiny. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo fikambanana iraisam-pirenena sy ireo tsy miankina amin’ny fanjakana. Iantsoana azy ireo ny handefasana mpanara-mason’ny fifidianana iraisam-pirenena na avy eto an-toerana. “Hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesy hatrehantsika eto izany, manomboka amin’ny faran’ny taona izao”, hoy ny teo anivon’ny filankevitry ny minisitra.
Navoitra tamin’izany fa mba hiantohana ny mangarahara sy ny fahatokisana amin’ny fanomanana ny fifidianana izany. Voatsiahy fa manome ny fankatoavana ireo mpanara-mason’ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni.

Andrimaso FFKM
Anisan’ny efa vonona hisehatra amin’izany fanaraha-maso ny fifidianana izany ny eo anivon’ny Andrimaso FFKM, araka ny fanambaran’ireo filoham-piangonana, ny volana janoary teo. Tahaka izany koa ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ny Safidy, efa nanao izany tamin’ny fifidianana ny taona 2018.
Tsiahivina fa anisan’ny efa nandefa iraka mpanara-maso ny fifidianana ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), ny novambra 2018. Miisa 46 izy ireo tamin’izany ka nijery akaiky ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fifidianana ary hatramin’ny namoahana ny voka-pifidianana.

Synèse R.

Partager sur: