Sehatry ny literatiora: hifamotoana etsy Tsimbazaza ireo poeta

Hifampiarahaba noho ny taona vaovao ireo poeta sy mpankafy poezia ary mpanaraka antsa tonon­kalo, ny alahady 5 febroary ho avy izao. “Hetsika ian­tsoana ireo mpisehatra izany anaty tambajotran-tserasera sy anaty onjam-peo koa izany”, hoy ny tom­pon’andraikitra, mpikarakara ny hetsika. Hanom­boka amin’ny 9 ora maraina ary hifarana amin’ny 4 ora tolakandro ny fihaonana. Fotoana koa io ifankafantarana eo amin’ireo samy mpisehatra amin’ny literatiora. Tafiditra ao anatin’ izany koa ny “Antsa mala­laka” andraisan’ny rehetra anjara sy tsy anavahana.
Ao anaty fandaharam-potoana koa ny fanoloran’ ny mpankafy fanomezana sy mari-pahatsiarovana ireo poeta tena nandona ny fony hatramin’izay. Arahin’ny fiaraha-misakafo sy miala hetaheta, araka ny fahafahan’ny tsirairay manao izany.

Boky “Tsy mba zaza”…

Tsy vitan’izany fa hamidy amin’io fotoana io koa ny boky “Tsy mba zaza”, an­drai­san’ireo poeta miisa 83 an­jara, ahitana ny asa sorany avy, anaty pejy miisa 116. Natonta amin’ny endriny vaovao izany boky izany. Nanao ny teny fanolorana kosa, Ny Iraka Rambo­la­manana. Anisan’ny mikarakara ity hetsika ity ny eo anivon’ny Lidera fito mianadahy. Anisan’izany i Art Fetra mikalo, NY antsaly, Lea Fandresena, Bins, In­drafo Tsihoarana, Ny Anoka Notiavina.
Tsiahivina fa hetsika efa fanaon’ireo mpisehatra eo amin’ny literatiora ny ta­haka izao, amin’ny fiandohan’ny taona. Nahavory mpankafy sy ireo poeta marobe hatrany izany.

Synèse R.

Partager sur: