Hosodoko: vonona haneho ny kantony i Guy Pradel

Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao teny amin’ny Institut Fran­çais de Madagascar na IFM Analakely, ny Alakamisy 2 febroary 2023. Nampaha­fantarina tamin’izany fa mandritra ny telo herinandro, manomboka ny 7 fe­broary 2023 hatramin’ny 25 febroary 2023, ny fampirantiana tabilao, mirakitra ny asa tanan’i Guy Pradel. Mitondra ny lohateny hoe “Sacramental” ity hetsika ity. Hasongadina amin’izany lohahevitra izany ny fanantenana sy ny zava-misy marina eo amin’ny tontolon’ ny zava-masina. Teratany frantsay, manana fahaizana manokana momba ny fa­naovana hosodoko ity ha­natanteraka fampirantiana eto Madagasikara ity. “Ireo harena voajanahary misy eto Madagasikara no na­hazoko aingam-panahy, nahafahako nanatontosa ireny asa tanako ireny. Efa hatramin’ny nahatongavako teto ny taona 1998”, hoy ity mpahay sary hoso­doko Frantsay ity. Isany mbola tsy ahafoizany an’i Madagasikara hatramin’ izao sy anton’ny varotra fampirantiana izany. Ma­laza ary manana ny maha izy azy ao Eoropa, indrindra ao Frantsa, sy eto amin’ ny ranomasimbe India­nina i Guy Pradel. “Na inona na inona endrika, fomba, foto-kevitra, fitaovana nofidina, ny fanehoana ara-javakanto dia manana hevitra masina foana ao amin’ny atiny matan­jaka”, hoy i Guy Pradel.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: