“Festival Surajkund” any Inde: haneho ny kanto Malagasy ny Maf’B

Tonga ny fotoana hanehoana ny ketrika! Volana vitsivitsy lasa izay no ni­tsiry ny hevitra izay lasa teti­kasa, hananganana tarika iray hivoy sy hitrandraka ny hira sy dihy vakodra­zana ma­nerana ny Nosy, ka afaka hisolo tena an’i Mada­gasi­kara rehefa misy ny hetsika ara-javakanto iraisam-pirenena. Taorian’ny fitiliana ireo mpanakanto, natsan­gana ny Malagasy Folkloric Band na ny Maf’B, izay tetikasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolon­tsaina.
Nanainga omaly, nihazo an’i New Delhi any Inde ireo mpanakanto 18 mianadahy mandrafitra ny Maf’B. Handray anjara amin’ny “Festival Surajkund”, izay handraisana tarika avy amina firenena maro anjara, izy ireo. Efa tsara hofana teo anivon’ny akademiam-pirenena misahana ny zava­kanto sy ny kolontsaina (Anac), izay mpiahy mivan­tana azy ny Maf’B.
Ankoatra ny fakana traikefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, haneho ny maha Malagasy amin’ ny alalan’ny zavakanto no tena tanjon’ny Maf’B. Tsy ho mena-mitaha amin’ireo mpanakanto avy amin’ny firenen-kafa, izay samy hanao izay hampiakatra ny lazan’ny firenena nihaviany avy izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: