Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo olona miisa enina voarohirohy ho naka an-keriny an’ilay tovovavy 19 taona mpianatry ny polytech ny 04 janoary teo. Tsiahivina fa natao takalonaina tao Andranomisa, kaominina ao ihany sy distrikan’Anjozorobe ity tovovavy ity. Navotsotr’ireo mpaka an-keriny izy ny 24 janoary teo. Tratra tamin’ izay koa ireo jiolahy miandahy miambavy.