Namaly ireo mety ho ahiahy sy fanakianana azy ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ho enti-manana hanatanterahana ny fifidianana.
“Tsy maintsy hatao ny fomba rehetra hahitana ny tetibola hanaovana io fifidianana io. Tsy hoe manana tetibola ny Ceni, fa tsy maintsy mitady amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka vonona handray anjara”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène teny Alarobia, omaly. Tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity, nefa tsy atao tandrametaka. Aoka tsy hisy intsony ny hiroaroa saina. Ho avy ny tetiandro, tsy hiandrasana ny 90 andro mialoha ny androm-pifidianana vao havoaka. Tsy maintsy misy ny fifidianana ary efa mivonona amin’izany ny Ceni.
Tsy tratra ny tanjona
9 675 145 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana, omaly. Anisan’ny olana nahatonga izany, ohatra, ny fahamaroan’ny karne fanisana mpifidy tsy mbola tafakatra eny anivon’ny distrika noho ny halaviran-dalana, ny toetr’andro ratsy… Eo koa ny fampifangaroan’ny olom-pirenena ny fanavaozana ny lisi-pifidianana isan-taona sy ny fanavaozana tanteraka, ny fanelezana vaovao tsy marina miteraka fisalasalana eo amin’ny olom-pirenena te hisoratra anarana… Tanjon’ny Ceni ny isan’ny mpifidy 13,5 tapitrisa, raha 27 tapitrisa ny mponina. Araka ny fenitra iraisam-pirenena, antsasaky ny isan’ny mponina no tokony ho
isan’ny mpifidy.
Misy ny fepetra hanatrarana an’izany. Mila manana karapanondro avokoa ny olona 13,5 tapitrisa, voasoratra ao anatin’ny rejisitry ny fokontany, miara-mientana ny rehetra fa zo sy andraikitra ny misoratra anarana. Tsy hilefitra amin’izay manao hosoka ny Ceni, fa hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana. Azo atao ny misoratra anarana eny anivon’ny fokontany hatramin’ny 15 mey.
Tsy misy ny anarana miverina
Tsy hisy ny anarana miverina amin’ny lisitry ny mpifidy. Heverina ho mampiahiahy amin’izany ny olona manana karapanondro roa na telo. Tsy manova ny voka-pifidianana izay. Nefa izany tsy midika hoe tsy harenina ny lesoka. Azon’ny firaisamonina sivily sy ny mpisehatra politika idirana ny asa eo anivon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), fa mila maka fahazoan-dalana. Mila alefa na mandeha manao fanaraha-maso amin’izany izay vondrona politika mahazo antoka ny lisitry ny mpifidy fa hoe ny lisitra teo aloha no hamenoana ny tsy feno amin’izao fa tsy tratra ny tanjona. Misy fepetra ny fahazoan’ny teratany malagasy any ivelany mifidy. Eo, ohatra, ny lalàna, ny enti-manana, ny fotoana enti-manatanteraka…
R. Nd.