Famaranana ny faha-30 taona: hanatanteraka seho lehibe ny Tanora Masina Itaosy

Iray amin’ireo antoko mpihira manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira evanjelika eto Madagasikara ny Tanora Masina Itaosy. Lalan-davitra rahateo no efa vita. 30 taona nomarihina tamin’ny alalan’ny hetsika maro.

Hofaranana, rahampitso, etsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, ireo hetsika rehetra nentina nanamarika ny faha-30 tao­nan’ny Tanora Masina Itaosy. Fampisehoana anisan’ny goavana hotanterahina amin’ity taona 2023 ity izy io satria maro amin’ireo hira nahafantarana azy ireo no hantsaina amin’io fotoana io. Anisan’ izany ny «Hafa ny taloha», «Tsy ambelako Jesosy», sns. Mandritra ity fampisehoana ity ihany koa no hivoahan’ny DVD faha-30 taonan’ny Ta­nora Masina Itaosy.
Amin’ny ankapobeny, tsy vahiny amina fampisehoana lehibe tahaka izao ity antoko mpihira ity. Nomarihin-dry zareo mpikambana rahateo fa «hanomana zavatra tsara be ho anareo izahay. Akaikin’ny fonay ianareo rehetra». Hia­vaka amin’ny alalan’ireo karazana gadona samihafa rahateo ity fanakatonana ny faha-30 taona ity.
Raha tsiahivina, fanorenana fiangonana tany Manga­mila Anjozorobe no tsangambaton’ny faha-30 taonan’ny Tanora Masina Itaosy. Fano­renana niainga hatrany amin’ny fototra mihitsy «Tanjonay ny hahavita soamantsara izany fanorenana izany amin’io famaranana io», hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikambana Tanora Masina Itaosy (TMI). Ankoatra io asa fanorenana io, fampisehoana sy fitetezana toerana sy faritra maro no notontosain’ny TMI nandritra ity fotoam-pankalazana ny faha-30 taona ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: