“Mozika, mozikako…”. “Hira noforoniko hohirain’i Silo. Matsiro sy mamy toy ny vary tondrahan-tantely…”, hoy ny filazan’i Fanja Andriamanantena azy. Io lohatenin-kira io koa mantsy no nosafidian’i Silo hitondrana ny fampisehoana manaraka, izay hotontosainy ny zoma 24 febroary izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny Plaza Ampefiloha.
“Hizarako tantara, fiainana, fitiavana, ady voamariky ny mozika sy ny fifankazahaoana, ny hatsarana tadiavinay, hanasanay anao, anareo, hiara- hihanoka sy haka fy ireo tsirony, ho sakafom-panahy sakafon-kolontsainao hoan’ity taona 2023 ity”, hoy kosa ny filazan’i Silo azy. Fampisehoana efa nampanantenainy tamin’ny fihaonana voalohany ny 13 janoary teo io. Noho ny hateren’ny toerana tamin’izany, maro ireo tsy afa-nanatrika ny seho, ka hitondrany ny anjoria amin’ny efitrano lehibe kokoa indray amin’ity.
Tsy voalohany ary tsy ho farany mihitsy ny fiarahana an-tsehatra hoan’i Silo sy i Fanja Andriamanantena. Mpiray tsikombakomba anaty mozika efa aman-taonany maro, ary niakara an-tsehatra matetika ihany koa. Misy foana anefa ny zava-baovao, ary mihoatra noho ny andrasan’ny mpankafy, ilay tena mpankafy mozika hatrany izany.
Ankoatra ny fandraisana anjaran’i Fanja Andriamanantena, fotoana iray efa
nampanantenain’i Silo hizarany ny endrikendriky ny fiarahana amin’ity taona ity ihany koa io seho io. “Ho matetitetika ny fiarahantsika, saingy tsy hitovy avokoa”, hoy mantsy ity mpanakanto andrarezina ity, nandritra ny fiarahana fisantarana ny taona…
Zo ny Aina