Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny “Festival International des Films des Femmes de Cotonou” na FIFF. Fifaninanana karakarain’ny Association EcranBénin, ho an’ny Vehivavy Afrikanina mpamokatra sy mpanatontosa sarimihetsika. Misokatra manomboka izao ary tsy hifarana raha tsy ny 30 aogositra 2023 ny fisoratana anarana. Lohahevitra amin’ity hetsika lehibe ity ny hoe “Ho amin’ny firaisankinan’ny sinema ataon’ny vehivavy”. Ny dingan’ny famaranana sy ny fanolorana ny amboara dia ho tanterahina mandritra ny FIFF 2024 andiany fahatelo atao ao Bénin ny 6 hatramin’ny 11 febroary 2024.
“Tanjona amin’izao ny fampiroborobona sy fanomezana lanja ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika.” hoy i Cornélia Glélé, Talen’ny Fikambanana Ecran Bénin. Misokatra ho an’ny Vehivavy mpanatontosa Afrikanina ity fifaninanana ity. Ankoatran’izay sarimihetsika sy horonantsary fanadihadiana ary fanentanana novokarina sy notontosaina ny taona septambra 2021, raha ela indrindra no afaka mandray anjara.
Lin (Mpianatra asa)