Nandalo tany amin’ny distrikan’i Marovoay sy ny kaominina Ankaboka ny delagasiona notarihin’ny Filoha Rajoelina omaly namangy ireo traboina any an-toerana. Nanolotra fanomezana ho an’ ny traboina, vary sy kojakoja samihafa . Hatramin’ny ben’ny Tanàna ao Ankaboka nahazo moto sy ordinatera, ny mpamboly nomena masomboly.
Tsy mahagaga raha nolazaina fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny an’ny Filoha hitsinjovana sahady ny fifidianana, raha nizara ireo fanomezana ireo. Hatramin’ny taona maro, raha teto amin’ny gazety Taratra, tsy sasatra nilaza ny zava-misy any an-toerana. Distrikan’i Marovoay dia anisan’ny sompitr’i Madagasikara eo amin’ny famokaram-bary, saingy tsy nisy fikarakarana nandritra ny taona maro. Tsy nisy fikarakarana ny fotodrafitrasa mitondra rano manondraka tanimbary, 4500 ha tany am-boalohany. Amin’ izao fotoana noho ny tanimbary tototry ny fasika , 30% amin’ny tokantranon’ireo tantsaha sisa no afaka mamboly. Antony, tsy azo antoka ny famatsian-drano, tsy misy ny mpanohana ara-teknika, tsy mahavidy masomboly ny ankamaroan’ny mpamboly, ary manampy izany ny faharatsian’ny toetr’andro. Raha nisy ireo mety ho kely ihany ny fiantraikan’ny rivodoza
Ny lemaky Betsiboka efa nanana ny lazany hatramin’ny andron’ny fanjanahatany, nisy ihany koa ireo orinasa maro niasa tany an-toerana. Tamin’ izany andro izany, nanondrana vary i Marovoay. Koa nahoana miandry fandalovan’ny rivodoza vao mihetsika ny fanjakana ?
Ndrina