Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama: “Anjarantsika ny mandinika ny hoavintsika”

“Anjarantsika ny mandinika ny hoavintsika Malagasy. Isika Malagasy no handinika ny fomba hitondrantsika ny dinika nasionaly, satria ho an’ny Malagasy.” Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Rajao­na­rivelo Herintsalama tamin’ny mpanao gazety teny Tsim­bazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny antson’ny SADC ny tokony hamerenana an-tanindrazana ireo mpialokaloka politika malagasy any ivelany. Hajaina ireo rafitra iraisam-pirenena isiana, na ny SADC, na ny UA, na ONU… Nefa ny Malagasy no tompon’ny hoaviny. Aleo ny diniky ny samy Malagasy tsy ifampiresahana amin-dry zareo. Izay no fiandrianam-pirenena. “Samy malalaka miteny izay tiany hotenenina avokoa ny rehetra”, hoy kosa izy, momba ny filazan’ny antoko politika nanao fikaonandoha hoe tokony horavana avokoa ny andrimpanjakana rehetra. Hiaraha-midinika ny rindra sy ny lamina, fa tsy misy hoe ankolafin’olona na ankolafy politika hiteny hoe izao no tsy maintsy haleha.
Avy ilay hoe hatao ny fivoriana tsy ara-potoan’ny An­te­ni­­mierampirenena? Tom­ban­tombana izay fa tsy hoe rehefa voalaza dia tsy maintsy hatao. Voalazany tamin’ny fihaonana tamin’ireo depiote: tsy misy zavatra tsy vitan’ny fifampiresahana sy fifampidinihana. Hatao raha tena ilaina izay fivoriana tsy ara-potoana izay. Raha hivory fe hivory fotsiny: tsy fotoan’izany izao. Tsy afa-manorina asa ny governemanta fa manarina. Satria tafiditra ao anatin’ny lavaka lalina ny firenena, na eo amin’ny toekarena na sosialy na ny toe-tsaina: ny fomba fifampitondrana sy ny fiaraha-miaina izany. Mila fihavaozana sy dinika ary fifandresen-dahatra izany rehetra izany.

R. Nd.

Partager sur: