Nitondra anaram-boninahitra vaovao indray ny taranja tsipy kanetibe. Norombahin-dRakotoarisoa Yves Sedrick mantsy ny “Boule d’or 2025”, na ny mpilalao mendrika indrindra maneran-tany. Izy indray izany no nandimby an’i Jean Feltain, nahazo izany tamin’ny taona 2024.
Tsara fiafarana ny taona 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nofaranan-dRakotoarisoa Yves Sedrick tamin’ny fibatana ny amboara “Boule d’or”, ho an’ny mpilalao mendrika indrindra ho an’ity taona ity, izany. Marihina fa mitovy lanja amin’ny “Ballon d’or” amin’ny baolina kitra izy ity. Ny alahady lasa teo, nambaran’ny Zone pétanque, mpikarakara ny fifaninanana tao amin’ny tambajotran-tseraserany fa lasan’ity Malagasy mpilalao tsipy kanetibe ity izany. Fifidianana ataon’ny mpankafy maneran-tany amin’ny alalan’ny tambanjotran-tserasera izy ity ka nahazoany i Yves vato 1 274.
Mbola Malagasy ihany koa ny laharana faharoa, Rakotondrainibe Jean François Daniel (Zigle), tompondaka maneran-tany tamin’ny “tir de précision 2024”. Nahazo vato 1 020 ny tovolahy. Fahatelo ilay frantsay, i Sébastien Rousseau, isa 687. Rakotoarisoa Yves Sedrick izany no nandimby ilay frantsay, i Jean Feltain, nandrombaka izany tamin’ny taona 2024. Marihina fa izy mirahalahy ireo izay nahazo fifanarahana hilalao ao amin’ ny klioban’ny Decines France, mandritra ny efa-taona (2026 – 2029).
Raha tsiahivina, nandrombaka ny Mondial La Marseillaise i Yves niaraka tamin’i Tiana (Tonnerre) sy i Lova, tamin’ity taona ity. I Madagasikara rahateo ny firenena vahiny nibata voalohany io fifaninanana io.
Noho io vokatra azon-dry zalahy io, fantatra fa tafita avy hatrany amin’ny famaranana lehibe, amin’ny Passion Pétanque Française (PPF 2026), hatao any Douaisis, ny 7 sy ny 8 marsa 2026, izy telo mirahalahy. Miisa 16 moa ireo hiatrika izany ka mbola hiady toerana izany ny ambiny hahalalana izay 15 tafita.
Tompondaka




