Efa novolavolaina tamin’ny taona 2014-2015 ny tetikasa fananganana tohodrano hamokatra herinaratra, manana tanjaka 300 MW. Efa vonona ny mpamatsy vola fa ny fanjakana malagasy sisa no andrasana.
Famokarana goavana indrindra eto Madagasikara rehefa tanteraka ny tetikasa Sahofika. Any amin’ny faritra Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ny toerana hananganana ny tohodrano, mamokatra herinaratra hatrany amin’ny 300 MW. Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny 12 desambra teo, ireo mpamatsy vola niaraka tamin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamparany Carl. Fantatra nandritra ny fanazavana fa efa tamin’ny taona 2014-2015 ny namolavolana azy. Tsy nanomboka anefa ny asa hatramin’izao noho ny antony maro samihafa. Afaka mamokatra 192 MW ny ampahany voalohany ary azo ampitomboina tsikelikely izany.
Mitentina 1,2 miliara dolara ny tetibola ilaina amin’ny tetikasa Sahofika, ka manana anjara betsaka amin’izany ny fanjakana malagasy. Efa vonona kosa ny anjaran’ny mpamatsy vola, araka ny fanazavan’izy ireo tamin’ny Filoham-panjakana. Naneho ny fahavononany hiara-miasa ny filoha Randrianirina Michaël. Porofon’izany, natao ho anisan’
ireo tetikasa laharam-pahamehana amin’ny hananganana tohodrano (PHP) ny tetikasa Sahofika. Hisy dingana samihafa amin’ny fihaonana hamaritana ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola. Araka ny nifanarahana, manana fe-potoana hatramin’ny 31 desambra 2025 ho avy izao ny fanjakana malagasy handaminana ny pitsompitsony ara-taratasy rehetra mahakasika izany.
Hanampy an’i Volobe 2 sy Andekaleka
Araka izany, tena laharam-pahamehana, ho vahaolana maharitra hamahana ny delestazy, ny tetikasa Sahofika. Famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano lehibe ihany koa ny tetikasa Volobe 2 (CGHV) any Toamasina, hamokatra 120 MW. Efa mandeha ny fanomanana, toy ny fanamboaran-dalana mankany amin’ny reniranon’i Volobe, mialoha ny fananganana ny tena fotodrafitrasam-pamokarana. Hanampy ny any Andekaleka ireo, mamokatra 120 MW ihany koa.
Njaka Andriantefiarinesy




