Faritra Boeny: zanaka honko miisa 10 000 voavoly

Nosantarina ny 23 desambra teo ny taom-pambolen-kazo 2025 any amin’ny faritra Boeny. Miisa 10 000 ny zana-kazo honko, karazany roa, nambolena any amin’ny ala hon­ko ao Manapatanana-Ambo­rovy, eo an-tampon-tanànan’
i Mahajanga. Novokarina tany amin’ny tanin-jana-kazon’ny fikambanana Anareo mbola havanay (AMH) ireo zana-ka­zo honko ireo. Nampahafan­tarina sy nanentanana ny re­hetra ny fomba mahomby ko­koa amin’ny fanarenana ny ala honko ireo karazana hazo honko roa ireo. Nanatanteraka ity hetsika ity ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana, Dredd Boeny, ny fikambanana AMH ary ny kaominina Maha­janga I.

Zana-kazo 5 500
Ankoatra izany, nisantarana ny taom-pambolen-kazo ho an’ny faritra Vakinanka­ra­tra, ny 18 desambra teo, tany
amin’ny valanjavaboahary Ma­­­da­gasikarantsika, natsangan’ny orinasa Imperial Brands. Miisa 5 500 ny zana-kazo nam­bolena, nahitana hazoala sy hazo fihinam-boa, ho an’ny ve­larantany mirefy 5 ha. Na­natante­ra­ka izany ny tomponandraikitry ny orinasa Impe­rial Brands, ny Fitanta­nam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana ma­haritra Dredd Vakinan­ka­ra­tra, ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny mpi­tandro ny filaminana. Man­­dray an-tanana ny fikolokoloana sy ny fanaraha-maso ireo zana-kazo novolena ny orinasa Imperial Brands sy ny mponina any Ampotaka.

Njaka A.

Partager sur: