Miompana amin’ny hananganana rafitra ara-tsakafo maharitra sy famokarana ara-tsakafo ny tetikasa “Food Systems Land Use and Restoration» (Folur). Tanjona ny hitantanana maharitra velarantany 86 000 ha manerana ny Nosy, ka haverina amin’ny laoniny ny 10 000 ha amin’izany. Miisa 30 000 ny tantsaha mpamokatra vary sy kafe hotohanana. Harovana manokana sy tahirizina ny karazana kafe tsy misy afa-tsy eto amintsika, karazany 12. Hamafisina ny famokarana ara-pambolena maharitra sy manaja ny tontolo iainana.
Mametraka fototra mafy ho an’ny fambolena mafy sady mahomby ny tetikasa Folur. Fitantanana maharitra tsy mandripaka ala, nefa manatsara ny fari-piainan’ny mponina any ambanivohitra. Faritra telo, Amoron’i Mania, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana no misitraka azy.
Manatanteraka ny Folur ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Mamatsy vola azy ny Tahirimbola maitso maneran-tany (GEF), tohanan’ny FAO ara-teknika.
Njaka A.




