Andoharanofotsy: olona mianaka may tao an-tsena

Nitrangana haintrano tetsy Malaho Bevalala,omaly maraina. Nirehitra ny tsena fivarotana iray eo akaikin’ny tobin-dasantsy eny an-toerana. Main’ny afo, nandritra izany, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany kely, izy ireo izay mpivarotra ao amin’io tsena io. Voa mafy noho ny ratra nahazo azy ilay renim-pianakaviana, tompon’ny tsena. Nentina nankany amin’ny mpanao ody may ilay zaza, raha nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa ilay renim-pianakaviana. Mbola may kilan’ny afo, nandritra izany, koa ny entana sy ny vola tao anatiny. Nahatratra 1 500 000 Ariary ny fitambaran’ny vola may, raha ny fanazavan’ny zanany vavy. Voafehin’ny fokonolona ny afo, nentin’izy ireo tany amin’ny hopitaly ny naratra. Efa tany amin’ny hopitaly vao naheno ny tranga ny zanany. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nihavian’ny loza. Manao antso avo amin’ny malala-tanana izy ireo noho izao voina mihatra amin’izy ireo izao satria may tao avokoa ny vola rehetra. Mba hoentina hitsaboana ny reniny izay tena voa mafy tamin’io loza io. Ilaina hatrany ny fahamailoana eo amin’ny tsirairay, indrindra amin’izao andro mafana izao, hisorohana ny tranga fahamaizana toa izao.

Mino

Partager sur: