Foano ilay “Facebook”!

Tena aleo mihitsy angamba hakatona any ity “facebook-facebook” ity eto Madagasikara. Mankarary an-doha ny mahita ny vaovao miely isan’andro. Tena tsy misy raha manjary sy mba fijery miabo. Tena kilalao maloto, andro aman’alina. Manginy fotsiny ny fahavetavetana ara-panahy maha olona. Toa fifamotehana sy fifanimbana an-kitsirano no bobaka.
Raha hofaizina sy handraisana fepetra amin’izany anefa izao dia hikomy sy hifanome tsiny. Tsy haintsika Mala­gasy anefa no ilana ilay tambajotran-tserasera. Ny an’olona hitadiavam-bola sy hananana tombony mba hanasoavana tokantrano, ara-drariny sy amim-pahamarinana. Ny antsika hamotehana izay tsy tiana sy ny azo hakana vola tsy ara-drariny. Toy izany hatrany …
Ny tena mampalahelo, hatrany amin’ny seraseran’ny rafi-panjakana sy ny vondrona ary fikambanana heverina ho manana ny maha izy azy no manondrana. Tena minia ve sa tsy mahafantatra? Raha ity farany aloha dia sarotra inoana ihany. Ny olana anefa raha hoe tafiditra anatin’ny paikadin-tserasera izany dia tsy hahagaga raha hisy zava-mitsefotra na olona hidona amin’ny rindrina ato ho ato.
Raha vao ny facebook no ianteherana sy hanaovana serasera fototra dia tsy maintsy misy ny lesoka goavana, mety ho singam-bolo handavo ny vositra. Firifiry izay nihevitra fa ho voaaro saingy lavo ihany ny niafarany. Mazava be ny fitsipi-dalao fa ireo mpanao hosana hosana taloha no mandrendrika rehefa lany ny paiso an-kady. Miverina ma­nindrahindra indray rehefa tsipazana kely.
Toy izany hatrany ny zava-miseho. Tsy mbola mahafehy ny etika mahakasika ny serasera ana habaka ilay Mala­gasy. Raha izao no mitohy, tsara lavitra raha tsy misy facebook izany i Madagasikara. Poizina ho an’ny fiarahamonina fotsiny.
r.r

Partager sur: