Amin’ny tonon-taona tahaka izao. Efa zary mahazatra ny Malagasy ny « manao fety ». Ny hira sy ny dihy no mahazo vahana kokoa amin’izany. Ho an’ity fanakatonana ny taona 2025 ity. Maro amin’ireo Malagasy mpanakanto no nisafidy ny hijanona eto an-toerana. Saika any amin’ireo efitrano malalaka na « Espace » ivelan’ny Renivohitra no hanatanteraka alim-pikoranana ry zareo, anio alina.
Rija Ramanantoanina, FSC Mozika, Johane ao amin’ny Tana Palm Espace, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Tarika Mage 4, eny amin’ny Espace Clastimi Ambohidratrimo, manomboka amin’ny 9 ora alina. Rossy, eny amin’ny Dana Club Talatamaty, amin’ny 9 ora alina. Ny mozika mavesatra miaraka amin-dry Green, Kiaka, Iraimbilanja, eny amin’ny Espace Vohimasina Ambohibao. Rim-Ka sy Ceasar ao amin’ny Hotel Panorama, amin’ny 7 ora hariva. Tanora Masina Itaosy, ao amin’ny FLM Ambohimasina Itaosy, amin’ny 8 ora alina. Tsota ao amin’ny Espace Gas’Gasy, amin’ny 8 ora alina. Maroozik any amin’ny Tranom-pokonolona Ambohidratrimo, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, sns.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




