Taona 2026, taona vaovao: be dia be ny andrasana sy andrandraina amin’izany? Na eo amin’ny fiainan’ny tena, na eo amin’ny fiainam-pirenena… Amin’ny tonon-taona toy izao, saika mahazatra sy mandeha ho azy mandrakariva ny fifampirarian-tsoa: ho taom-panambinana sy taon-jina anie, hitondra soa… Raha ny marina, tsy ny taona na ny fotoana no hitondra inona na soa; eny, na eo aza ny fiteny hoe andro miditra rehefa sendra loza mifanesy na manao tsy omby aloha. Tsy ny taona no hitondra inona, fa ny tena no mitondra soa sy fanambinana ho an’ny taona. Arakaraka izay atao ihany io. Hitondra loza sy fahavoazana ho an’ny tena aza ny taona sy ny fotoana, raha itomoe-poana: anaovana ariary zato am-pandriana, ohatra, fa tsy iasana, na anantenana harin-drahalahy na ny hafa fotsiny amin’izany. Mila hararaotina hatrany ny fotoana fa mandalo ihany.
Amin’ny tonon-taona toy izao, mahafaly sy mahabe fanantenana mandrakariva ny hoe fahazoana tombon’andro. Mitombo indray ny taona ahavelomana. Mby amin’ny hoe: velona aina tra-pamonjena, fa tsy maty tratry ny nenina. Marina izay. Na izany aza, tsy lavina fa mihamihena hatrany koa ny andro sisa iveloman’ny tena; eny, na lazaina ho tombon’andro aza ny taona vaovao. Zava-dehibe ny fahavelomana, ny fahazoana sy fananana tombon’andro. Hatao inona? Na mba hay ahay ny mampiasa azy… Tsy mandany andro amin’ny tsy antony izany, na manjehy ny andro ho lava amin’ny ampitso ampitso tsy misy farany… Mby amin’ny hoe: rehefa mikasa ny tena, mihevitra hoe manana fotoana na mbola lava andro; rehefa miasa na manatanteraka, mila mahay manararaotra ny fotoana mandalo sy misy fetra. Fieritreritra sy fandanjalanja izany rehetra izany amin’ny tonon-taona toy izao? Itomboana amin’ny fahamatorana, fahavononana, faharetana…
R. Nd.




