Tonon-taona izao, fanao ny jery todika. Inona no tsy vita? Hatramin’izay mila arenina, ny miandry, ny tohizina… Be lavitra ny mbola tsy vita mitaha amin’izay natomboka. Miainga amin’ny tsirairay izay, vao mivelatra amin’ny hoe fifanomezan-tanana, fifampitsinjovana… Sao varivarian’ny lasa ka tsy mahita ny ambany maso: be fikasana, be fitetika. Na izany aza, ilaina hatrany koa ny mijery lavitra amin’izay vokatry ny atao sy aleha. Fahendrena ny fahaiza-mandanjalanja izany? Izay no androsoana… Izay mandeha tsy mijanona no lasa lavitra, fa tsy izay maika tsy faingana mety ho reraka ambony ihany. Ny hazakazaka tsinona tsy dia.
Efa lasa ny zavatra taloha. Indro taona vaovao… Na efa tsy lasa ny zavatra taloha, mila fanarenana sy fanonerana ary fanorenana. Mby aiza amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Kihon-dalana lehibe no diavina. Ny zava-dehibe dia ny hoe: ahoana ny tsy hiverimberenan’ny krizy politika intsony? Izay no fototra sy fositra amin’ny krizina toekarena, sosialy… Hatramin’ny fomba fanaovana politika, ohatra, ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra, ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ny fomba fihariana… Marolafy? Ny sehatra rehetra no mila fanavaozana. Tsy vitan-dresaka izany, tsy ihazakazahana, tsy efan’ny irery, tsy vetivety…
Antony sy antoka ny fikaonandoham-pirenena? Hoe hatomboka any ifotony, tsy anavahana, tena atao… Manomboka amin’izay ny fanavaozana? Tsy misy hevitra voaomana mialoha itsikombakomban’olom-bitsy na saribakolin’ny vahiny, jerena amin’ny antsipiriany izay antony sy vokany, tanterahina izay fanapahan-kevitra iombonana… Tsy moramora izany fa mila fahasahiana, fahamatorana, fahavononana… Dieny izao, mila fifampitaizana sy fifampitantanana, fifampitokisana, fifanitsiana…
R. Nd.




