Nihena 200 Ar ny litatry ny lasantsy taorian’ny fampiarana sy fanarahana ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niakatra 10 Ar sy 30 Ar kosa ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra, vidiny mihatra mandritra ity volana janoary ity.
Zava-baovao. Sambany hatramin’ny volana jolay 2022 no nidina latsaky ny 5 000Ar ny litatry ny lasantsy eny amin’ny tobin-tsolika. Vokatra azo taorian’ny fidinana 200 Ar izay nanan-kery sy
nihatra nanomboka omaly 5 janoary. Araka izany, lasa 4 970Ar ny litatra, raha toa ka 5 170Ar izany teo aloha, raha ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny Akoranafo (OMH). Miakatra kosa ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra. Lasa 4 670Ar/l noho izany ny gazoala raha novidiana 4 660Ar/l nandritra ny volana desambra teo. Izany hoe, nahitam-piakarana 10Ar isaky ny litatra. Ankilany, fiakarana 30 Ar kosa no mihatra ho an’ny solika fandrehitra ka vidiana 3 520Ar/l izany amin’izao raha mbola 3 490Ar teo aloha. Marihina fa tany amin’ny tapany voalohan’ny taona 2022 no namidy 4 100Ar ny lasantsy ka lasa 5 900Ar izany ny volana jolay 2022, noho ny zava-nisy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny ady tany Okraina sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika maneran-tany ary ny fitotonganan’ny sandan’ny vola malagasy manoloana ny dolara.
Toekarena
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny solika noho izy andry iankinan’ny fifandraisana, ny fifaterana ary fihodinan’ny orinasa sy ny indostria. Miantraika amin’ny famokarana samihafa ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara, indrindra ho an’ireo orinasa miankindoha amin’ny fampiasana solika. Eo ihany koa ny sehatry ny fitaterana fa indrindra ny faharatsian’ny lalana izay voatery mampiakatra ny saran-dalana sy ny saran’ny kojakojan’ireo fitaovam-pitaterana. Ankoatra izay, mampitombo ny vola mivoaka ihany koa ny fitomboan’ny fanafarana solika ka mampihisitra ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa manodidina ny 30 ka hatramin’ ny 40 andro ny fahatongavan’ ny sambo mpitatitra ka ny vidiny nahazoana azy tamin’izay no hahafahana mamaritra ny vidiny vaovao.
Henintsoa




