Tao anatin’ny efa-bolana, nahitam-piakarana ny voan-kafe eny an-tsena. Ankehitriny, vidiana 22 000 Ar ny kilao raha toa ka mbola 15 000 Ar izany ny volana septambra teo. “Ny volana oktobra teo no nanomboka niakatra ny voan-kafe, manodidina 18 000 Ar ny kilao, lasa 20 000 Ar indray izany ny volana desambra teo ka izao vidiana 22 000Ar izao indray”, hoy Raymond, mpivarotra kafe sy mofo etsy Analamahitsy. Miantraika mivantana amin’ny fanjifana ny zava-misy ka voatery mampiakatra vidin’entana ihany koa ireo mpaninjara samihafa. Niakatra ihany koa, araka izany, ireo vidina vovo-kafe sy ireo vokatra vokarin’ny orinasa mpamokatra, izay manomboka amin’ny 700 Ar. “Nihena ny mpanjifa fa ireo mpivarotra kafe sy mofo sisa no mbola maka vokatra betsaka eto aminay”, hoy Ra-Jean, mpamongady. Niakatra ihany koa, araka izany, ny vidina kafe eny amin’ireo mpivarotra kafe sy mofo. Ho an’i Raymond manokana, lasa 400 Ar ny kafe tapany tsotra raha toa ka 300Ar izany teo aloha. Lasa 500Ar kosa ny kafe misy ronona raha mbola 400 Ar izany andro vitsy lasa izay. Vidina vaovao nihatra nanomboka ny 2 janoary teo. Na eo aza izany rehetra izany, mangataka ny hijerena ny kalitaon’ny vokatra ny mpanjifa samihafa.
Henintsoa




