Taona 2026 : Ho taona ny asa sy ny vokatra ho an’ny MIDSP

Hifantoka amin’ny fahombiazana sy ny fampitomboana vokatra ny minisiteran’ny In­dostria sy ny Fampandro­soana ny Sehatra Tsy Mian­kina (MIDSP). Nivoitra izany nandritra ny fananganan-tsaina voalohany nataon’ny minisitra Rasoarahona Andriniaina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nantitranterina fa hitohy sy hohamafisina ny asa sy ny hetsika rehetra ataon’ny minisitera, izay mifanaraka amin’ ny paikady ara-toekarena vaovao noraisin’ny fanjakana. Nambarany fa efa nahitam-bokany sahady ireo ezaka efa natao. Tanteraka tao anatin’ny roa volana monja hoy izy ny 90%-n’ireo tetikasa “Quick Wins”, izay mikendry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fandraisan’andraikitra iombonan’ny ekipa ao amin’ny minisitera. Anisan’ireo dingana lehibe efa vita ny fiarovana ny fampisam-bola, izany hoe, ny fanavaozana ny lalàna misahana ny fizakamanana ara-indostrialy, famolavolana ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny fampandrosoana ara-indostrialy sy ny ezaka hampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fitantanana ireo orinasa “One district One factory” (Odof), izay heverina ho antoky ny fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana sy ny fampandrosoana ara-toekarena isam-paritra. Nampi­risika ny mpiara-miasa rehetra aminy ihany koa ny minisitra mba hanohy hatrany ny asa iombonana sy ny firaisankina ho fanatrarana ny tanjona iraisana dia ny fampandrosoana maharitra ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: