Minisitra Pierre Holder : “Atrehina ny vahoaka sahirana”

“Ny mamolavola tetikasa vaovao tsy mbola nifanarahana sy tsy mbola nisy resaka no tsy atao, fa hiroso amin’ny fiatrehana ny vahoaka sahirana amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Fa­najariana ny tany, Ramaholi­masy Pierre Holder, manoloana ny resabe momba ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika tany Vatomandry hoe hajanona aloha ny fanorenana fotodrafitrasa fa hiompana amin’ny sosialim-bahoaka ny governemanta.
Tohizina izay efa tapaky ny parlemanta ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola, fa tsy misy hajanona. Tanterahina avokoa ny tetikasa efa nifanarahana tamin’ny vahoaka, efa naroso hotanterahina, efa nolanian’ny solombavambahoaka fa hatao. Izay tetikasa vao karohina no tenenin’ny filohan’ny Repobli­ka hoe aleo aloha hiato kely. “Nanome baiko ny minisitra ny filoha Rajoelina hatramin’izao hoe: jereo izay tetikasa tokony hipetraka ho an’ny taranaka, tokony ho an’ny hoavy, hitsinjovana ny rahampitso”, hoy izy. Samy miezaka mba hanatsara ny hoavin’ny taranaka ma­lagasy sy ity firenena ity, samy mikaroka tetikasa tokony hatao amin’izany.
Izay mpitondra fanjakana mitsinjo ny hoavy izay no tena imatimatesan’ny filoha Rajoe­lina. Samy mikaroka sy mandinika ny minisitra: inona amin’ny sehatra karakarainy ny tokony ho tetikasa ho an’ny taranaka any aoriana tokony hotanterahina ka itadiavana famatsiam-bola.

R. Nd.

Partager sur: