Zava-dehibe hoan’ireo mpanakanto ny fankasitrahana… Mandrisika azy ireo hanome ny tsara kokoa hatrany ny antom-pisian’ny “RDJ Mozika”. Hoan’ny andiany 2022, nibata ny sokajy misongadina indrindra i Mad Max.
“Mpanakanton’ny taona 2022”. Lasan’i Mad Max izay anaram-boninahitra anisan’ny nandrandrain’ireo mpanakanto maro izay, nandritra ny “RDJ Mozika 2022”. Tontosa ny alin’ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny CCI Ivato ny lanonana manetriketrika nanomezam-boninahitra ireo mpanakanto sy ny sanganasany. Tsy sokajy nifaninanana ka nandraisan’ny mpankafy anjara tamin’ny fifidianana akory ny “Mpanakanton’ny taona”, fa avy amin’ireo mason-tsivana marobe napetraky ny mpikarakara no nivoahan’izany. Raha tarafina tamin’ny zava-bitan’ity mpanakanto ity nandritra ny taona 2022 kosa, mendrika azy izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny isan’ny fampisehoana vita sy ny isan’ny hira ankafizin’ny maro fotsiny.
Toa ny isan-taona ihany koa, manome voninahitra ireo mpanakanto zokiny nametraka tantara ireo mpikarakara. Niantefa tamin’ny tarika Iraimbilanja ny safidy tamin’ity, ka izy ireo no “nahazo ny “Trophée d’honneur”. Hoan’ny vao misandratra kosa, mendrika ihany koa ny FDC Mozika raha nambara fa “Révélation”, satria dia anisan’ireo tarika miaka-daza hatrany, indrindra nanomboka tamin’iny taona lasa iny izy ireo.
Nangonin’i Zo ny Aina
Ireo nibata ny amboara isan-tsokajy:
Artiste de l’année 2022: Mad Max
Titre de l’année 2022: “Very jery » (Rim-Ka)
Révelation : FSC Mozika
Trophée d’honneur: Iraimbilanja
Coup de Coeur RDJ Mozika 2022: “Fotsy hely” (Oza Jerôme & Sreydan)
Meilleur Lyrics: Literatelo (MBL)
Meilleur look masculin: Ariane
Meilleur look feminine: Johane
Spéctacle de l’année 2022: “Misaotra ‘Nary” – Tarika ‘Zay Palais des sports
Mozika afro Masculin: “paradisa” (Ceasar)
Mozika afro groupe: “Voay” (Mr Sayda – Prins Aimiix – Donna)
Mozika Afro feminin: “Omeko anao ny mahereza” (Tence Mena)
Mozika akostika: “Tomany irery” (AmbondronA)
Mozika Chill: “Milokoloko” (Steph Rambi)
Mozika collaboration Milamina: “azafady” (Jacquis Randria – Njara Marcel)
Mozika Collaboration Mihetsika: “Mam’zel” (Mig Mj & Mad Max)
Mozika Diaspora: “Nanignenako” (JS Twins)
Mozika EDM: “Tsara laoka” (Tsôta)
Mozika Fiderana: “Livraison” (Rija Rasolondraibe)
Mozika cover milamina: “Mampamangy” (Marghe/L Saphira)
Mozika mafana: “Werawera” (Basta Lion)
Mozika milamina masculin: “Mahere” (D-Lain)
Mozika milamina feminin: “Zanako” (Denise)
Mozika Pop: “Tomorrow koa day” (Ayam)
Mozika rap: “Ahiahy” (Agrad)
Mozika Ragga dancehall: “Darling” (Rootsman)
Mozika Rn’B: “Tsy nenina” (Johanne)
Mozika Rock: “Ilay kintana” (Mirado)
Mozika tropical masculin mihetsika: “Mon amour taloha (Wada sy Youngs)
Mozika tropical masculin milamina: “Ngoma” (L-Jo)
Mozika tropical feminin: “Hilefa” (Joyce Mena Makoa)
Mozika variété: “Masina” (Nate Tex)
Mozika variété mihetsika masculin: “Sesily” (Oladad)
Mozika cariété mihetsika feminine: “Tsy fotsy varavarana” (Stéphanie)
Mozika miaina: “Viavy rozi” (Olombelo Ricky)