Fararanon-danonana ny teny Mahamasina, omaly… Ankoatra ny tao amin’ny kianjabe mantsy, hipoka olona ihany koa ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, tonga nanotrona sy njery ny seho goavana notontosain’ny Tanora Masina Itaosy. Seho izay nentin’izy ireo namaranana ny fankalazana ny faha-30 taona io, ka notontosain’izy ireo ny fanamby amin’ny hampiavaka izany noho ny efa natao teo aloha.
Fotoana ihany koa namoahan’ny Tanora Masina Itaosy ilay tsangambaton’ny faha-30 taona, dia ilay DVD izay ahitana raki-tsary 10 io. Voarakitra ao ireo hira anisan’ny nafana indrindra nandritra ny seho, toa ny “Tsy ambelako Jesosy”, “Misaotra anao”, sns. Mbola mipetraka ny lazan’ny antoko mpihira, ary mitohy ny lalana hoan’ny TMI. Nahatety fiangonana maro izy ireo tamin’ity fankalazana ity, ary mbola manana vina lavitra kokoa hoan’ny ho avy.
Zo ny Aina