Fitantarana angano : nodimandry i Paul Congo

Maro ireo nahatsiaro ny fa­hazazany vao maheno ny anaran’i Paul Congo… araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviany, nodimandry ny marainan’ny asabotsy teo tany Antsiranana i Jaora­voana Paul. Anarana sy feo tsy zo­viana amin’ny maro, satria dia raiki-tapisaka ao ampara-ha­toka ireo angano notantarain’i Paul Congo. Nanomboka tao amin’ny radio Varatraza Antsi­ranana, avy eo heno tamin’ny haino aman-jerim-panjakana izy. Mpikaroka, mpitahiry ary mpizara ny vakoka, indrindra ny angano ity andrarezina ity. Mpikabary ary nanorina ny fikambanan’ny mpikabary malagasy faritany Antsi­rana­na ihany koa izy, no mbola filoham-boninahitra hatramin’ny nahafatesany. “Very andra­rezin’ny ko­lontsaina, mpitahiry ny tantara, indrindra ny tantaran’ny farita avaratry ny Nosy isika,” hoy ny filazan-dRakotoson Cerveau azy. Efa lehiben’ny sampandraharahana misahana ny kolontsaina tao amin’ny faritra Diana i Paul Congo, ary naharitra no nitanany izany andraikitra izany.
Ankoatra ny kolontsaina sy ny haino aman-jery, Nampahafantarin’ireo akaiky azy koa fa efa tompondakan’i Afrika tamin’ny taranja ady totohondry ary tompondakan’i Oseana Indiana ta­min’ny taranja “catch à 4” izy ny taona 1979. Ny angano anefa no tena nahafantarana azy, izay nahazoany ny medaly volamena ihany koa tamin’ny lalaon’ny Frankô­fô­nia andiany fahatelo. Tsy nijanona mihitsy tamin’izay fitantarana angano hoan’ny ankizy izay izy, sy ny fizarana ny fahalalany ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina Ma­lagasy, hoan’ireo mpi­anatra mpikaroka…

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: