Basikety : Nomena “Chevalier de l’ordre national” Ratafia

Nentina nomena voninahitra farany teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia ary nomena ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national”. Noho ny zava-bitany, izay nitondra anjara biriky lehibe teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, no antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy izao mari-boninahitra izao. Taorian’izay, nentina nanomezam-boninahitra an’Andria­manitra teny amin’ny FJKM Amboasarikely Fiadanana ny razana, nialoha ny nametrahana azy teny amin’ny fasan-drazany, eny Alarobia Mahatony, omaly. Nambaran’ny filohan’ny SOE (Stade Olympique de l’Emyrne), Rasendrahasina Solofo Mendrika, fa nampiavaka an-dRatafia ny fahaizany mampifaly ny mpilalao ary mpampianatra feno izy, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. Fahaizana, maharitra manao zavatra, fikirizana ary fifankatiavana, ireo no hafatra navelan-dRatafia.

Mi.Raz

Partager sur: