“Matahotra ny atao hoe politika ny kristianina. Satria zavatra ratsy ny fiheveran’ny kristianina ny politika hatramin’izay. Kanefa zavatra tsara ny politika, raha ny fiheveran’i Jesoa”, hoy ny mpanorina ny Vondrona laika kristianina mpikatroka (VLKM), Rakotonirina Lucien, ny amin’ ny tokony hirotsahan’ny kristianina amin’ny sehatra politika.
Fitantanana sy fandrindrana ny fiarahamonina ao anatin’ny fitiava-namana ny hoe politika, fitiavam-bavaka, fitiavan-tanindrazana. Izay mitambatra no heverina fa hoe fanaovana politika, raha ny hevitry ny maha kristianina. Mba mieritreritra hamondrona ny hery isika kristianina rehetra tsy asiam-panavahana ry zareo.
Raha ny tena ilay fiainana ny fitiavana nambaran’i Kristy marina no iainantsika ny raharaham-pirenena sy ny fiarahamonina, mino izahay fa handroso i Madagasikara ary tsy mbola very akory ny fanantenana. Manentana ny kristianina handray andraikitra eo amin’ny raharaham-pirenena ny VLKM.
Manomboka eo amin’ny ankohonana izany, ny fianakaviana, ny fiangonana sy ny faritra misy ny tena. Miaina ny tena fitiavana, araka ny nambaran’i Jesoa Kristy. Amin’ny ankapobeny, teraka avy amin’ny alalan’ny fitenenan’ny papa Fransoa hoe mandraisa andraikitra amin’ ny sehatra politika.
“Maha olom-pirenena feno ny fifidianana”, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny VLKM, Razafindrabe Mamy. Masina ny tanindrazana. Adidy ny mifidy. Manainga ny olom-pirenena tonga taona rehetra izahay hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary mba hifidy. Mba tsy hifanomezan-tsiny, tsy aleo ve mifidy fa tsy ho mpitazam-potsiny ny raharaham-pirenena? Adidy masina ho an’ny tanindrazana ny fifidianana.
R. Nd.