Rolly Mercia: hiakatra fitsarana anio

Tontosaina anio eny amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaham-pitsarana, fitoriana an-dRahajason Harry Laurent, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rolly Mercia. Raharaham-pitsarana faharoa hiampangana azy ity iakarany fitsarana anio ity. “Fijoroana vavolombelona tsy marina” no vesatra hanenjehana azy.
Tsiahivina, raharaha voalohany niampangana azy ny fijoroana vavolombelona tsy marina, fanamelohana manevateva, fanaparitahana vaovao tsy marina ary fandrisihana ho amin’ny fankahalana.
Etsy ankilan’izay, milaza ny fianakaviany fa anatin’ny tsy fahasalamana amin’izao fotoana izao i Rolly Mercia. Miteraka resa-be ny momba azy ankehitriny, indrindra ny mahakasika ny fanalefahan-tsazy. “Ny filoham-pirenena ihany no manam-pahefana amin’ny famotsoran-keloka”, hoy ny ministry ny Fitsarana mahakasika ity raharaha ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: