Fakafaka: Ny savorovoron-kilantoana !

Nitrangana resaka tetsy sy teroa indray ny tontolon’ny hira malagasy. Ireny ve dia mba zavakanto ? Feo mivalana be ! Aleo ihany ny taloha ! Ireny ve no antsoina hoe mpanakanto ? Ilay gadona mihetsika fotsiny no nitiavako azy fa ny tonony tsy misy vontoatiny, sns. Samy nanana ny nandraisany azy ny rehetra. Ny zava-dehibe, tsara hatrany ny hisian’ny hetsika tahaka ireny mba ahafahan’ny « rehetra » mandrefy ny ezaka vitany.
Hampitaha ny teo aloha sy ny ankehitriny ? Sarotra izany satria na ny vanim-potoana sy ny zava-misy aza tsy mitovy. Ilay fahaiza-manaka-javatra sy mandanja (tsy mitongilana, tsy mijery ila…) aza efa samihafa. Ny ambara ho « kanto » fahiny, mety tsy ho izay intsony ankehitriny. Tsy azo atosika rahateo ny fiovana sy ny fivoarana.
Raha fialamboly na fanalana sorisory, mety ho fitaizana sy fanabeazana ihany koa aza ny hira fahiny. Tsy voatery hanaraka na hanohy izany ny ankehitriny. Maro ireo manao ny hira ho raharaham-barotra. Tsy ifanomezan-tsiny ny amin’izay. Laza no katsahina. Voninahitra no tadiavin’ny hafa, tsy azo itsarana azy ireo sy ny zavatra ataony ihany koa izany.
Misy fomba fitenin’ireo mpahay zava-panahy manao hoe : « rehefa fady dia fady »… Saingy, toa manahirana ny ankehitriny ny hilaza hoe : « rehefa kanto dia kanto », noho ilay fiovana sy fivoarana maro mianjady amin’ny tontolon’ ny kanto malagasy sy ny fiarahamonina iray manontolo. Vokatr’izay, nanjary sarotrabe ny mamaritra ny atao hoe « kanto »… Dia io izy manao randra-mitarika io !
Fahiny, nitandrina mafy ny mpamoron-kira, ny mpihira, ny mpandihy fa sao mihoatra ny fefy (soatoavina, kolon­tsaina, fomba amam-panao, fady…) ny omena ny mpihaino na ny mpijery. Ankehitriny, misy ny milaza fa « tsy mpanabe ny asan’ny mpanakanto fa manome ny kanto avy any aminy ». Tranga roa mifanohitra tanteraka satria samy hafa ny zava-kinendry, ny vanim-potoana, ny fomba fijery, sns.
Ny savorovoron-kilantoana. Aleo ny fiarahamonina sy ny vanim-potoana no hanavaka sy hanivana ny kanto tadiaviny. Na hatao manaka-danitra aza ny doka sy izay mitovy amin’izany, rehefa tsy ilain’ny fiarahamonina, tsy ho voarainy mihitsy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: