Teboka iray tokony hataon’ny fitondram-panjakana mijoro amin’izao fotoana izao ny fanamafisana orina ny seraserany. Io matetika no fositra teo amin’ny miaramila taloha, indrindra ireo mbola mitapikitra amin’ny nahazatra. Noheverina fa ny fahanginana no hery ho azy ireo. Nosokajina ho tsy laharam-pahamehana mihitsy ny firesahana na fisokafana. Fahamalinana sy maha matihanina izany ho azy ireo!
Tsy tokony ho hadinoina anefa, ankehitriny, fa tsy miaramila tsotra intsony ireo mpitondra fa mpanao politika. Ny paikadim-pahombiazana voalohany indrindra dia ny fahafehezana ny serasera. Mahatratra hatrany amin’ ny 90 isan-jato ny ady atao no miainga avy ao. Ilaina ny basy fa hafa ihany koa ny basivava. Manindrona sy mandaitra lavitra ny teny sy ny hafatra aparitaka. Manaitra kokoa noho ny poa-basy ny fitefotefoky ny fampitan-kafatra matihanina, indrindra moa miharo ny ankaton’ny vontoatin-tserasera.
Izay no azo lazaina fa lesoka, hatreto, ho an’ny fitondra-miaramila. Efa ezaka goavana no hita tamin’ny nametrahana mpanao gazety « gagilahy », henjana amin’ ny traikefa ao an-dapa. Mitaky fanamafisana anefa izany raha ny hodidina misy amin’izao fotoana. Tsy tsangan’ olona fa fahaiza-manao manaraka ny fivoaran’ny tontolon’ ny serasera izay tsy mitsahatra mamokatra zava-baovao hatrany. Mila maharaka ny filana matihanina sy maoderina fa tsy ilay « afindrafindrao » tsy azo avela fotsiny.
Raharaham-panjakana no resaka. Adidy goavana ilana ny fiaraha-mientana izany. Tsy tokony hipetraka
intsony ny fanilihana hoe mpanao gazetin-dranona na ranona, na seraseran-dranona na i ranona. Ny akanga maro no tsy vakin’amboa. Ny fahasamihafana rahateo no harena.
r.r




